ActualitésTatitra

La Réunion: Hanao fampisehoana ao an-toerana i Kalash

Hanao fampisehoana ao amin’ny nosy La Réunion ilay mpihira malaza Kalash ny 1 hatramin’ny 2 jolay izao. Ao amin’ny toeram-pandihizana Beach Club ao Saint-Paul hanatontosana ny fampisehoana. Io toerana mampiatrano ny hetsika io sy ny Kartel Prod kosa no mikarakara izany.

Raha tsiahivina dia avy ao Martinique i Kalash. Ny volana septambra ny taona lasa teo kosa izy no nanao fampisehoana farany tao La Réunion. Manana mpankafia maro izy ao amin’ny nosy ary nahazo ny « prix du morceau caribéen » tamin’ny alalan’ilay hira niarahany tamin’i Maureen mitondra ny lohateny hoe « Laptop ».

Laisser un commentaire