Fanatanjahantena : Manomboka amin’ny 5000ariary ny tapakila
Dépêche 15 juin, 11h, Manomboka amin’ny 5000ariary ny tapakila hahafahana mijery ny lalaon’ny Barea sy ny Black Stars izay hotanterahina eny amin’ny Kianjan’ny Mahamasina. Hotanterahina amin’ny dimy ora hariva aty Madagasikara io lalao io. Eo Ankorondrano, Tanjomabto Kianja Barea Mahamasina no hahafahana manjifa izany lalao izany. Mbola mitohy ny fanjifana ao amin’ny tranonkala www.ticketplace.io. Gradin 5000ariary, Tribune supérieure 10 000ariary ary tribune centrale 30 000ariary.
