« En rupture de stock » ny fanafody « doliprane » ao France
22 Aprily, 13h00. Efa maro ireo toeram-pivarotana fanafody tsy ahitana ny fanafody doliprane intsony ao France. Nanambara ny tompon’andraikitrin’ny famokarana io fanafody io fa mety amin’ny tapaky ny volana jona any mihitsy vao hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana azy io eny amin’ny toeram-pivarotam-panafody na farmasia.
