Kolontsaina: Hiova ny fisehon’ny fetin’ny mozika amin’ity
Hankalazaina manomboka ny 17 jona izao hatramin’ny 23 jona ny ftein’ny mozika. Hetsika iray lehibe natokana ho an’ny mozika sy ny tontolony. Toy ny fanao isan-taona dia ny Alliance Française hatrany no mpikarakara voalohany ity hetsika ity. Efa ao anatin’ny fikarakara tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao izay manomana seho miavaka tsy mitovy amin’ny isan-taona.
“Anisan’ny tsy hitovizan’ny hetsika fetin’ny mozika 2023 amin’ireo rehetra teo aloha di any toerana hanatanterahana azy. Raha tao amin’ny Alliance Française Andavamamba hatrany izany isan-taona dia entina mivoka akely izy amin’ity taona ity. Eny amin’ny Kaominina Tanjomabto sy Andoharanofotsy no hitondrana azy hahafahana tena manakaiky ireo mpankafy izany”, hoy ny avya o amin’ny Alliance Française Antananarivo.
Hafana ny herinandro satria hisy hatrany ireo fotoana maro be hankafizana mozika. Hanomboka amin’ny alalan’ny “carnaval” mamakivaky ny Kaominina Andoharanofotsy ny hetsika. Mpandray anjara maherin’ny 300 no ho hita amin’izany. “Ho hafanain’I Ljo, Lion Hill ary Rimka ny sehatra ao Tongarivo amin’io andro fanombohana io. Ankoatra izany dia hisy ireo lalao isan-karazany toy ny fifaninanana cover, dihy sy ny maro hafa”, hoy hatrany ny fanazavana.
Fotoana iray hanomezana laka ireo mpana-talenta vao misondrotra ity fotoana ity. Ho maimaimpoana avokoa ny seho rehetra mandritra io fotoana io.
Miora Raharisolo
