Foto-drafitr’asa: Nahazo rano fisotro madio ny ao Manampatrana
Dépêche 13 juin, 12h, Nisitraka foto-drafitr’asa mahakasika ny rano fisotro madio ny mponin’ny Anosivelo sy Vohilava ao Manampatrana. Fiaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fanadiovana niarahana tamin’ny UNICEF izany fisitrahana foto-drafitr’asa izany. Tafiditra ao anatin’ny fanentanana ny olona ho tia sy hahay hampiasa ny rano madio ity tetik’asa ity. Nentanina tamin’ny fampiasana lavapiringa avokoa ihany koa ireo mponina nandritra izany.
