Dépêches

Miarinarivo : Nahazo fampitaovana rano fisotro madio ny ao Soavimbazaha

Dépêche 09 juin, 13h, Nisitraka foto-drafitr’asa ho an’ny rano fisotro madio ny tanànan’ny Masobe ao Soavimbazaha Miarinarivo. Paompin-drano miisa 7 no nozarain’ny Ministera misahana izany. Olona miisa 1800 amin’io tanana io araka izany no afaka hisitraka ireto foto-drafitr’asa ireto. Avy amin’ny fangatahan’ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana moa no nahazoana izany foto-drafitr’asa izany.

Laisser un commentaire