Antalaha : Nampiana amin’ny fomba fitadiavana asa ny tanora
Notolorana fanampiana amin’ny teknika fitadiavana as any tyanoran’Antalaha. Ny Fitaleavam-paritry ny Ministeran’ny asa sy ny fampananan’asa ao Sava no nanolotra izany fampiofanana izany ho an’ireto tanora ireto. Manam-pahaizana amin’ny tontolon’ny asa toy ireo « inspecteurs du travail et des lois sociales » no niandraikitra ity fampiofanana ity.
« Ny tanjona tamin’ity fampiofanana ity dia ny hanampiana ny tanora rehefa hitady asa. Hampiditra azy ireo sahady amin’ny tontolon’ny matihanina. Nomena azy ireo tao ny tekinika samihafa izay ahafahany miditra amin’ny tontolon’ny asa sy mampiroborobo ny fandraisana mpiasa amin’ny alàlan’ny fanohanana azy ireo ary koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana mpiasa isam-paritra sy ny kalitaon’ny fiasan’izy ireo », hoy ireo mpampianatra.
« Tokony hiparitaka manrena any Nosy mihitsy ity hetsika ity satria tsy ny tanoran’Antalaha irery no miady mafy amin’ny fikarohana asa sy ny fiasana. Tsara raha hampiharina amin’ny faritra hafa ity hetsika ity », hoy ny solontenan’ny Tanora samihafa.
Mbola mananosarotra ho an’ny tanora ny fandrafetana ireo taratasy maro be ilaina rehefa hitady asa. Mila teknika manko izy ireny raha tiana hahomby. Araka izany tokony any am-pianarana fotsiny dia efa hatolotra azy ireo ny teknika hampahomby izany fa tsy hiandry fampiofanana toy izao.
Miora Raharisolo
