SSMAF : Ahitana ny taranja « Basket » ihany koa ao
Raha haverina hampahafantarina ny hetsika « SSMAF Rendez-vous aty aminay » dia lalao ara-panatanjahantena sy ara-javakanto. Harahin’ny hetsika ara-ekonomika ihany eny antsefatsefany eny. Araka izany dia afaka handray anjara amin’ny taranja basket ihany koa ny mpankafy izany mandritra io hetsika io.
« Ny taranja basket tsy misy fiovana fa toy ireny lalao rehetra ireny. Manaraka antsakany sy andavany ny fitsipika efa nipetraka rehetra. Natokana ho an’ny olona efa manana ekipa kosa anefa ity lalao ity », hoy i Hary, mpikarakara.
Toy ny Ankoay U19 izay efa andalam-panomanana ny lalao izay hotanterahin’izy ireo dia mila fanomanan-tena lehibe ihany koa ity hetsika SSMAF ity rah ate hibata ny fandresena. Tsy misy mahalala ny tanjaky ny ekipa tsirairay fa ny fanomanan-tena no vahaolana amin’izany.
Mbola mitohy hatramin’ny 30 jona izao ny fisoratana anarana ao amin’ny BTC Ambohimangakely. Na ao amin’ny pejy facebook BTC ihany koa.
Miora Raharisolo
