Comores : Miparitaka ny vola sandoka
Nanao fanambarana ny BCC (Banque Centrale des Comores) fa miparitaka indray ny vola sandoka ao an-toerana. Tsy ny Francs comoriens ihany nefa no voakasik’izany fa ny Euros ihany kosa raha ny fanamafisan’izy ireo.
Manoloana ny tranga dia nandefa fanambarana an-gazety nanome ny antsipiriany rehetra hamantarana ny vola 500 hatramin’ny 10 000 Francs comorien tena izy ny BCC. Fantatra amin’ny alalan’ny fitsapana ihany koa nefa ny vola tena izy raha ny fanamafisan’izy ireo. Ho an’ny Euros kosa ny 50 sy ny 100 Euros sandoka no tena miparitaka ao an-toerana.
Nilaza ny BCC fa azo atao ihany koa ny manamarina ny vola mivantana any amin’ny banky. Nanome torohevitra ny hampiasana ny karatra ihany koa izy ireo.
