Fandraharahana ny fonja : Miantso fanovana fitondran-tena ny mpitantana vaovao
Nahazo mpitantana vaovao ny Fandraharahana ny Fonja izay nanomboka niasa omaly. Tsy mbola afa-miala amin’ity sehatra iray ity ny kolikoly ary efa hiaraha-mahalala izany. Manana vina ny hanafoana izany anefa ity mpotantanana vaovao ity ka miantso ireo mpiasa rehetra eo ambany fifehezany amin’ny fanovam-pitodran-tena.
« Miainga amin’ny fiovam-pitondran-tena ny fialana amin’ny kolikoly, ny ady vamin’ny kolikoly. Tsy maiintsy hampanjakana ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fandraharahana ny fonja. Tsy maintsy hisy ny sazy mihatra amin’ireo izay minia mandika ireo fitsipika isan-karazany napetraka ireo. Tsy maintsy ny fanavaozana ny fitondran-tena anefa no vahaolana amin’izany », hoy ity Mpitantana vaovao ny fandraharahana ny fonja ity.
Asa lehibe miandry ity Mpitantana vaovao ity ny fanafonana ny kolikoly eny anivon’ny fonja, eo ihany koa ny famenoana ny sakafo mendrika ho an’ireo voafonja. Asa izay efa natombok’ireo mpitantana teo aloha saingy tsy maintsy tohizana.
« Miova ny mpitantana, tokony miova ihany koa ny fomba fiasa izay hahitana lesoka eo anivon’ny fonja. Miavaka amin’izany ny manodidina ny kolikoly. Hirariana ny hahatomombanan’ny programaan’asany raha tena ny hanafoana ny kolikoly tokoa no laharam-pahamlehana ho azy », hoy i Fanja, manana fianakaviana voafonja.
Tsy ireo mpiasa mandraharaha ao amin’ny fonja irery ihany anefa no tokony hanova fitondran-tena fa manana adidy amin’izany ihany koa ireo fianakavian’ny voafonja. Misy ny lamina napetraka izay tokony samy hanaja izany ny tsirairay.
Miora Raharisolo
