Fitsaram-bahoaka : Olona miisa 47 notazomina am-ponja vonjimaika tao Lalazana, Matsiatra Ambony
Taorian’ilay tranga na fitsaram-bahoaka izay niseho tao Lalazana, Distrikan’ny Vohibato faritra Matsiatra ambony dia olona miisa 47 no voarohirohy tamin’izany. Notanana am-ponja vonjimaika izy ireo raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny 55 ambiny. Raha tsiahivina ny tantara dia ny alakamisy 27 mai teo nisy mpitondra fiara 4*4 miisa 4 izay voalaza fa mpanagala-jaza ka niharan’ny fitsaram-bahoaka tamin’izany ary maty ny 3 raha naratra kosa ny iray.
« Mbola ady mafy ity fitsaram-bahoaka ityy eto Madagasikara. Ny olona ihany koa tokony tsy handray fanapahan-kevitra maika toy izany fa efa misy ny tompon’andraikitra napetraka hanao izany. Tsy maintsy ny fanadihadiana hatrany no tokony hamaly ny ahiahin’ny vahoaka ka tokony izany no fepetra noraisina voalohany », hoy ny Zandarimaria ao amin’ny Distrikan’i Vohibato.
« Ny vahoaka any ambanivohitra matetika matahotra fiara 4*4 foana. Olon-dratsy hatrany no fiheveran’izy ireo ireny olona ireny. Etsy andaniny anefa dia tsy mba nisy olondehibe ve tao an-tanana nandamina aloha vao nandray fanapahan-kevitra. Izany anie no ilaina ny fokontany eh. Izao manjary migadragadra foana », hoy i Haja, mpianatra sociologie ao amin’ny faculté EGS.
Tsara ny manamarika fa zaza tsy ampy taona ny 5 amin’ireo voarohirohy ireo. Fanabeazana anefa no fototry izany satria miainga amin’ny zaza hatrany ny fanovana toe-tsaina. Sady mbola voararan’ny lalàna ny fanaovana fitsaram-bahoaka.
Miora Raharisolo
