Avaradrano: Manentana amin’ny fanentanana sainam-pirenena ny kaominina
Hankalaza ny fety, faha 63 taona niverenan’ny fahaleovan-tena malagasy isika amin’ity taona 2023 ity. Ao anatin’izany, miezaka manentana ny mponina ireo tomponandraikitra eny amin’ny kaominina amin’ny fametahana ny sainam-pirenena malagasy, ho mariky ny fiandrianana sy ny fanajana izany.
« Fanehoana ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana ny fananganana ny saim-pirenena ao anatin’ny fankalazana ny faha 63 taona niverenan’ny fahaleovan-tena sy ny nijoroan’ny foloalindahy malagasy izao, ka izay no hanentanana ny isan-tokantrano hanangana izany » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy.
« Mifona tantara ary maneho ny voninahi-pirenena sy ny fiandrianany ny sainam-pirenena. Raha ny hita anefa hatreto, tsy maharisika ny olona ny fametahana izany satria mbola maro no miaina anaty fahasahiranana, ary mampanontany tena hoe efa mahaleo tena tokoa ve i Madagasikara sa sarintsariny fotsiny ihany » hoy i Fidy, mpahay fiaraha-monina.
Teny filamatra amin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena ity ny hoe « Malagasy miray hina, malagasy mandroso ». Ny firaisan-kina tokoa ve no tsy misy intsony sa ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra no tsy ampy ka mahatonga ny sasany tsy hanangana ny sainam-pirenena?
