ActualitésTatitra

France : Ankizivavy roa no nanolana zazavavy 4 taona

Mampivarahontsana ny zava-misy eto an-toerana manoloana ny ankizy tsy ampy taona manolana zaza tsy ampy taona saingy tena efa lasa lavitra ihany koa ny tranga any ivelany. Tao amin’ny sekoly garabola iray Ferdinand-Buisson tao Morsang-sur-Orge, Essonne no niseho ity tranga ity. Zazavavy kely 4 taona no nitaraina tamin’ny mpitsabo mpanampy ny sekoly fa naharary azy ny fitombenany.

Rehefa natao ny fizahana dia nivara-mena manodidina ny lavaka fivoahan’ny malotony. Nanazava tamin’ny fitenin-jaza io zazavavy io fa nisy ankizivavy 5 sy 7 taona nanao herisetra ara-nofo taminy. Tao an-tsekoly nandritra fakan-drivotra no niseho izany tranga izany raha ny fanazavany.

Avy hatrany dia nentina tany amin’ny hopitaly ilay zaza 4 taona ary nametraka fitoriana ilay sekoly. Voaantso tany amin’ny polisy avy hatrany ireo zazavavy kely ireo sy ny ray aman-dreniny ary efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana ny raharaha.

Laisser un commentaire