ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Manomboka ny fanaganana Sit-Pro an’ny Raoka fako

Ao anatin’ny fametrahana ny service Raoka fako ao amin’ny fokontany Tanjonandriana, kaominina Ambohimanambola, dia efa manomboka amin’izao fotoana ny fametrahana ny SitPro ao an-toerana.

« Ny alatsinainy teo no nanomboka ny fananganana ny foto-drafitr’asa SitPro na  Site de Transfert Provisoire numéro 02. Izy ity izay toerana hampiasain’ny Service raoka fako, hanatobiana ny fako isan-tokatrano » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny service Raoka fako.

« Anisan’ny dingana lehibe ao anatin’ny fanatanterahan’ny service Raoka fako ny asany ny fametrahana sitpro na ny toeram-panatobiana fako. Tsy tokony hisy intsony araka izany ny toera-panariana fako tsy ara-dalàna ety amin’ny fokontany » hoy hatrany ny fanazavana.

Mandritra ny fotoana voafetra no hampiasana ity SitPro ity raha ny voalaza hatrany ary vinavinaina ho vita ao anatin’ny 20 andro ny fananganana izany foto-drafitr’asa izany.

Laisser un commentaire