Etats-Unis : Tsy afa-mihetsika taorian’ny nandonan’ny fiara azy ny mpilalao ao amin’ny NBA Shawn Bradley
Nanambara ny tsy fahafahany mihetsika (paralysie) vokatry ny nandonan’ny fiara azy ny volana janoary teo i Shawn Bradley. Nandeha bisikleta izy tamin’io andro io ary avy ao aoriana hoy izy no nandonan’ilay fiara azy, tsy lavitry ny tranony ao St George, Utah raha ny fitantarany ny alarobia 17 martsa. Nisedra fandidina teo amin’ny hatony izy ary voa mafy ihany koa ny hazon-damosiny. Antony tsy ahafahany mihetsika intsony aloha hatreto. 48 taona I Bradley amin’izao fotoana ary efa tsy milalao ao amin’ny NBA intsony izy. Taompilalaovana 12 no nandraisany anjara ary mitotaly 832 ireo lalao nataony teo anelanelan’ny taona 1990 sy 2000 ho an’ny Philadelphie 76ers, ny New Jersey Nets fa indrindra ho an’ny Dallas Mavericks (saisons 9). Nandrakitra isa 8,1, 6,3 rebonds sy 2,5 contres isaky ny lalao ity pivot ity. Manoloana izany, nirary fahasalamana ho azy ny tompon’ny vondrona Mavs, Mark Cuban. Nambarany fa mbola isan’ny fianakaviambe i Shawn Bradley na dia tsy misehatra amin’ny filalaovana baskety intsony aza.
