ActualitésTsidika

Sosialy: Iray volana hampahafantarana ny zo sy ny andraikitry ny ankizy ny volana jona

Maro ny hetsika hankalazaina eto Madagasikara rehefa volana jona toy izao.Manamarika izany ny Fetim-pirenena saingy tsy ambakan’izany ihany koa ny iray volan’ny ankizy. Ny lohahevitra entina hankalazaina izany eto Madagasikara amin’ity taona ity di any hoe: “antoky ny ho avy mamiratry ny ankizy ny anio”. Araka izany dia ahazo laka ireo ankizy mandritra ity volana ity.

“Hampahafantarina sy haparitaka ny zo sy adidin’ny ankizy ao an-tokantrano sy eny amin’ny fiaraha-monina mandritra ny fankalazana. Hisy ihany koa ny fihainoana ny hetahetan’izy ireo indrindra ny mahakasika ny fiarovana azy sy ny fanentanana ny Ray aman-dReny amin’ny fihainoana tsy tapaka ny ankizy tsirairay”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Mponina .

“Samy manana andraikitra satria samy mampandroso ny tontolo misy azy ny olona tsirairay. Manana ny anjara ho azy amin’izany ihany koa ny ankizy ka tsy maintsy hainoana. Hampiroboroboana ihany koa ny maha ankizy azy ireo hahafahana mampandroso azy. Manomboka any amin’ny kely hatrany ny fampandrosoana”, hoy ny mpisolovava mahakasika ny zon’ny ankizy iray.

Nanambara hatrany ny Ministeran’ny mponina fa ny volana jona no hankalazaina ny iray volan’ny ankizy saingy ny ady amin’ny fiarovana azy ireny dia isan’andro ary tsy maintsy mitohy. Samy manana adidy amin’izany avokoa ny tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire