Seychelles : Hiroso tsikelikely amin’ny fametrahana « photovoltaïque » ny nosy
Afaka taona vitsivitsy dia hametrahana « panneaux solaires » avokoa ny tranom-panjakana ao Seychelles, isan’izany antenimiera, birao ny polisy, hopitaly sy sekolim-panjakana… Dingana iray hanatratrana ny « transition énergétique » izany raha ny fanazavana.
Raha tsiahivina dia tanjon’ny nosy Seychelles ny fampiasana ny angovo azo havaozina amin’ny famokarana ny 15% herinaratra ao an-toerana ao anatin’ny taona vitsivitsy ary ny ahatonga izany 100% any amin’ny taona 2050 any. Vatsian’ny governemanta ao Inde vola kosa io tetik’asa io. Midika izany fa tsy maintsy ny « photovoltaïque » avy ao amin’io firenena io no ho vatsian’i Seychelles. Tsy taraiky ihany koa nefa i Chine, izay mamatsy ny ampahany amin’io tetik’asa io.
