Dépêches

Rugby : Laharana fahatelo ny Ladies Makis nandritra ny Fiadiana ny amboaran’i Afrique

Dépêche 30 mai, 14h, Nifarana ny alahady 28 mey teo ny Fiadiana ny Amboaran’i Afrique amin’ny taranja Rugby vehivavy. I Afrique du Sud no nifanandrina farany tamin’ny Ladies Makis izay naharesen’ireto farany tamin’ny isa 8 noho ny 79. Io isa io no nahatonga ny Ladies Makis teo amin’ny laharana fahatelo taorian’ny Kenya. Izany laharana izany ihany koa no midika fa tsy nahazo ny tapakila ahafahana miatrika ny fiadiana ny ambora eran-tany isika. I Cameroun kosa no teo amin’ny laharana fahaefatra. Hiady ny amboara eran-tany, diviziona voalohany araka izany ny « Ogres » avy atsy Afrique du Sud. Ny « Lanterne rouge » avy Kenya kosa no nahazo ny laharana faharoa sy ny tapakila hiatrehana ny amboara eran-tany, diviziona faharoa. 

Laisser un commentaire