ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Mitohy ny ezaka fanampiana ireo mpianatra madinika

Misy ireo olona tsara sitra-po mitondra fanampiana sy fanohanana ireo mpianatra amin’ny ambaratonga fototra, kilasy faha 05, ao amin’ny EPP Ambohimarina Ambohimanga rova. Efa an-taonany maro no nanaovan’izy ireo ny hetsika ary mitohy hatrany izany amin’izao fotoana, raha ny voalaza.

« Tonga indray ny fotoana fanampiana ireo kilonga hanala ny fanadinana CEPE eto amin’ny EPP Ambohimarina. Efa valo taona izao no nanaovana izany ary tanatin’ny telo taona dia nozakaina irery izany. Maro anefa ireo efa zatra naira-niasa no mbola maniry hitohizan’izany fanohanana izany ka raisana an-tanan-droa izay fanohanana atolotra » hoy ireo mpanatanteraka ny hetsika.

« Hery lehibe ho an’ny ankizy ny fanohanana tahaka izao, indrindra izy ireo hiakatra ny fanadinana voalohany. Mbola maro ny ankizy, indrindra amin’ny kaominina ambanivohitra no misedra fahasahiranana, tsy ampy fitaovana hiatrika fanadinana ka hisaorana ireo mahalala tanana amin’ny fanomezana » hoy ireo avy amin’ny mpanabe.

Adidy masina ho an’ny tanindrazana ny fanampiana sy ny fanohanana ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra ary tsy vitan’olo-tokana izany. Azo atao moa ny manolotra kojakoja toa ny kahie, ny penina sy ny fitaovam-pianarana isan-karazany, ny kojakoja samihafa ilaina amin’ny fianarana ho an’ny mpianatra.

Manitra R.

Laisser un commentaire