Seychelles : Mpiara-miasa amin’ny fomba ofisialy ny Qatar Airways sy ny Air Seychelles
Nosoniavin’i Seychelles ny talata teo ny fiaraha-miasany amin’ny fomba ofisialy amin’ny Qatar Airways. Efa afaka misitraka ny kaody (codes du transporteur) ny Air Seychelles noho izany io orinasa io. Etsy ankilany dia afaka misitraka ny « catalogue » ny zotra mpiara-miasa aminy avokoa ny mpandeha avy ao amin’ny nosy Seychelles.
Misy toerana azo aleha 160 isa ao amin’ny « catalogue » ny Qatar Airways raha ny tatitry ny Business Travel. Manoloana ny fiaraha-miasa ihany koa dia tsy voatery hifindra fiaramanidina na hanao « escale » ireo mpandeha avy ao Seychelles. Hatreto kosa dia sidina iray isan-kerinandro no mampitohy an’i Seychelles su Qatar, heverina fa hitombo ao anatin’ny fotoana fohy nefa izany raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
