Etats-Unis : Nanamafy ny fepetra manoloana ny fanalan-jaza i Caroline du Sud
Niroso tamin’ny fifidianana mahakasika ny fanalan-jaza (IVG) ireo loholona manohitra izany ao Caroline du Sud. Manoloana izany dia tapaka fa tsy azo atao intsony ny manala zaza mihoatra ny enina herinandro niforonany. Raha tsiahivina dia ireo vehivavy dimy mpikambana ao amin’ny antenimieran-doholona an-toerana no nanolotra io volavolan-dalàna io.
Nanameloka ireo lehilahy mpiara-miasa aminy hamely ireo vehivavy amin’ny alalan’ny fampiakarana ny olan’ny fanalan-jaza ombieny ombieny kosa i Sandy Senn izay isan’ireo vehivavy dimy ireo ao amin’ny antenimiera ireo. Mbola ho dinihin’ny governora repoblikana Henry McMaster kosa nefa io volavolan-dalàna io alohan’ny tena aha-lalàna raikitra azy.
Efa mazavazava nefa ny faneken’io tompon’andraikitra io izany. Nilaza mantsy ny tenany tao amin’ny tambajotra Twitter fa maniry ny hiaro ny ain’ireo tsy manan-tsiny.
