Talata Volonondry : Vita ny ady fototra fananganana biraon’ny zandarimaria
Tontosa tamin’ny alarobia teo ny ady fototra fananganana ny foto-drafitr’asa ho an’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Faly avokoa na ny mponina na ireo tomponandraikitra isan’isany manoloana izany fanombohana asa vaovao izany ao an-toerana.
« Izao no atao dia mba hitsinjovana ny fandriam-pahalemana ary hanamafisana ny fiarovana ny vahoana sy ny fananany eto amin’ny kaominina sy ny manodidina. Ny ben’ny tanàna ihany koa dia mbola manentana ny rehetra hatrany hifanome tanana amin’ny famitana izany brigady vaovao izany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Tsy afa-misaraka amin’ny andavan’andron’ny mponina ny fandriam-pahalemana, ary zava-dehibe tokoa ny fametrahan foto-drafitr’asa mahakasika izany, ary hisaorana ny tomponandraikitra ny ezaka asehon’izy ireo amin’ny fampandrosoana ny tanàna » hoy i Nirina, mponina ao Talata Volonondry.
Tonga nanatrika izany asa ady fototra izany moa ny Kaomandin’ny brigadin’ny zandarimaria ao Ambohimanga, ny CP sy ny CA Talata Volonondry, ary ireo tomponandraikitra sy solon-tenan’ny fikambanana ao an-toerana.
Manitra R.
