Sotasotampiaraha-monina ahitan-doza.
Maro ny tranga hafahafa hita eny amin’ny fiaraha-monina eny. Ny fialonana izay miteraka korontana, ny sotasota aterakin’ny fialonana. Mila hatsaraina ve izany ny fanabeazana ho olom-pirenena ? Ny toe-tsaina no hita ho lesoka eto. Ory hava-manana ny akamaroan’ny malagasy ka maniry ny fialonana. Isan’ireo asa ratsy fanaon’ny gasy indrindra ny any ambanivohitra ny famosaviana raha tojo toe-javatra toy izany. Nampioron-koditra ny maro ny tao Betafo Antsirabe ity tranga iray ity. Maty vokatrin’ny aretina hafahafa i Arsène ka tezitra ireo havany. Nisy olona mivady noahiahian’izy ireo ho namosavy io havany io ka nanomboka teo ny valifaty feno habibiana tsy roa aman-tany. Notapahin-tenda, norasarasaina, notsatohina vy ny loha ary notaritina toy ny biby teny an-tanimbary ny fatin’izy mivady ny Alahady 7 Martsa lasa teo, tao Antanetibe Ankerakely Betafo. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary tao an-toerana raha vao nahare ny tranga. Nadoboka am-ponja eny Tsiafahy ny enina mirahalahy nahavanon-doza ary notazomina tao Antsirabe kosa ny vehivavy iray. Tsy ho afa-maina izany ny mpanao ratsy. Mitovy avokoa ny heloka ary rehefa namono olona na inona antony. Tokony hifankahazo hatrany ny mpiara-monina na dia eo aza ny disadisa madinika hisorohana ny loza sy ny sotasota tahaka ity. Anisan’ny foto-pisainana mandroso ihany koa izany.
Nicole Rafalimananjara
