ActualitésTatitra

Mexique : Ahiana hipoaka ny volkano Popocatepetl

Folo kilometatra eo ho eo miala ny tanànan’i Mexico no misy ny volkano Popocatepetl. Tao anatin’ny fotoana vitsivitsy izao dia maneho famantarana fipoaka izy io. Manoloana izany dia voatery nampiakatra ny fanairana ireo manam-pahefana ao amin’ny firenena. Manahy izy ireo hisy fiatraikany amin’ny mponina sy ny fifamoivoizana an’habakabaka ny singa mirehitra sy ny lavenona havoakan’io volkano io.

Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety dia nilaza i Laura Velazquez, mpandrindra ny fiarovana sivily fa efa nandritra ny alina ny zoma ka hatramin’ny sabotsy lasa teo no nandrenesana fihetsehana io volkano io ka nahatonga ny fanairana mavo 2 ho lasa mavo 3. Manoloana ny tranga dia efa miomana amin’ny manao fialàna ny toerana ireo mponina.

Laisser un commentaire