ActualitésTsidika

Vilihazo: Nandray anjara tamin’ny fikojana ny lalana ny fiangonana ao an-toerana

Niara-nientana tamin’ny fanamboarana ny lalana, izay efa nahita fahasimbana efa ela hatramin’ny ela ireo avy amin’ny fiangonana protestanta, ao amin’ny kaominina Vilihazo, ny faran’ny herinandro teo.

« Nanao ny ainy tsy ho zavatra tokoa ireo mpino teto an-toerana amin’ny famenoana ny camion sy fandravonana ireo vato sy fasika amin’ny lalana. Miezaka manao izay kely vita izy ireo mba ho fandraisana anjara amin’ny fikojakojana ny lalana eto an-tanindrazana » hoy i Samuel, loholona.

« Zava-dehibe ny fahatsapa-tena, mitondra anjara biriky amin’ny asa iombonana tahaka izao. Tsy voatery hiandry tomponandraikitra vao afaka hanao zavatra fa ny famondronana ny hery no tena zava-dehibe » hoy i Kanto, mponina ao Vilihazo.

Manana andraikitra ny tsirairay amin’ny fampandrosoana ny faritra na fokontany na kaominina iray. Taratra izany izao firaisan-kinan’ny mpino ao Vilihazo izao. Ny fandraisana anjara  tahaka izao ihany koa no ilaina ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

Manitra R.

Laisser un commentaire