ActualitésTsidika

Fahasalamana : Miantso ny Fitondram-panjakana ny farmasianina amin’ireo mpivarotra fanafody tsy manara-dalàna

Tsy entam-barotra tsotra ny fanafody fa entana mamùelona ny sehatry ny fahasalamana irtay manontolo. Miha-mitombo hatrany ireo mpivarotra fanafody tsy ara-dalana amin’izao fotoana izao ka izany indrindra no hanaovan’ny Farmasianina antso avo amin’ny Fitondram-panjakana. Maiahiahy ny amin’ny fiavian’ireo fanafody izay varotin’ireo tsy manara-dalana ireo ny farmasianina.

« Raha ho an’ny eny Ambohipo manokana dia maro ny fototra ahazoan’ireo mpivarotra ireo ny fanafody. Mety avy amin’ireo hetsika ara-pahasalamana isan-karazany izany. Amin’ny alalan’ny fanodikodinana ireo fanafody ireo amin’ny fomba hafa. Fandikan-dalàna izany ka tokony hojerena akaiky », hoy ny avy ao amin’ny Ordre National des Pharmaciens de Madagascar (ONP).

Ankoatra izany dia manahy ny amin’ny kalitaon’ireo fanafody ihany koa ireo mponina satria tsy fantatra mazava ny fihaviany. « Be mpividy ireo fanafody ireo noho izy mora kokoa. Mampatahotra ihany anefa satria raha hividy fanafody dia mila manatona mpitsabo aloha, ny eny vita amin’ny fanontaniana vitsivitsy kely fotsiny. Mety hiteraka aretina hafa indray avy eo. Tokony harahi-maso mihitsy izany fa loza ho an’ny vahoaka », hoy i Santatra, mponina eny Ambohipo.

Avy amin’ny fihavian’ireo fanafody hamidy mihitsy no tokony hojerana manokana satria izany no fototry ny olana. Tokony hanokafana fanadihadiana sy fandraisana andraikitra haingana izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire