SocialTatitra

République du Congo : Handrotsa-bato amin’ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ireo mpitandro ny filaminana.

Voatondro handrotsaka ny vatom-pifidianan’izy ireo, ny alarobia 17 martsa ireo mpitandro ny filaminana rehetra ao Congo, 4 andro alohan’ny an’ny daholobe. Noraisina izay fanapahan-kevitra izao mba ahafahan’izy ireo manara-maso akaiky ny fizotry ny fifidianana ofisialy amin’ny 21 martsa ho avy izao. Misy kosa anefa ireo tsy manaiky manoloana izao fanomezana alalana voalohany ny mpitandro ny filaminana izao. Mipetraka ny miahiahy ny amin’ny mety hisian’ny fangalaram-bato. Mamanahy amin’ny fangalaram-bato ny fisian’ny vata any amin’ny toerana voatoka toy ny sekoy, toeram-piasa sns. Saingy amin’ity indray mitoraka ity kosa, ho asiana vata ahafahana mifidy avokoa amin’ireny toerana ireny raha arak any fanambarana an-tsoratra nivoaka ny 23 febroary lasa teo. Antony manokana ilaina ireo mpitandro ny filaminana rehetra hanara-maso akaiky ny fizotry ny fifidianana. Sambany amin’ity taona ity vao hisaratsaraka toy izany ny toeram-pifidianana ao Congo. Sady entina manaja ny fepetra manoloana ny fipariahan’ny valanretina ihany izany hoy ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire