Sabotsy Namehana: Tontosa soa aman-tsara ny hetsika famorana faobe
Ny talata 16 mai teo no nanatanterahana ny hetsika fanaovana ny didifoitra faobe ny tao ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Efa hetsika fanao isan-taona, ary hiaraha-miasa amin’ireo mpitsabo sy fikambanana samihafa ao an-toerana, ny fanatontosana izany, araka ny voalaza.
» Maimaim-poana ny hetsika famorana faobe izay natolotry ny kaominina teto ary tsy ireo zanaka teto ihany no nahavita soa izany fa nisy ihany koa ireo avy amin’ny kaominina rahavavy » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Zava-dehibe ny fahavitan’ny hasoavan-jaza tahaka izao ary hisaorana ny kaominina sy ireo mpitsabo nikarakara ny hetsika satria maha afa-pahasahiranana ny ankamaroan’ny mponina ny hetsika tahaka izao » hoy i Donné,mponina ao Sabotsy Namehana.
Ilay didifoitra antsoina hoe « A l’americaine » moa no natao nandritra ity, hetsika ity, zany hoe ilay tsy araka ny fomban-drazana malagasy efa nahazatra. Ity endrika iray ity izay nahazo vahana teto amintsika efa fotoana maro izao.
Manitra R.
