Fandriam-pahalemana : Miantoka izany ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny tafika
Tsy asan’olon-tokana ny fampandriana fahalemana fa asa iombonana. Tsy vitan’ny tafika irery araka izany io adidy lehibe io fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny fokonolona ifotony izy ireo. Firaisan-kinan’ny fokonolona avy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy ny Polisim-pirenena no nahafahana namerina ilay zaza varira 11 taona nangalarin’ireo jiolahy tany an-toerana. Tafaverina ihany koa ireo omby izay nalain’ireo jiolahy.
« Nisy ny fanarahan-dia izay niarahana tamin’ny fokonolona nikarohana ilay zaza varira nalaina an-keriny ka avotra soa aman-tsara izy. Efa any amin’ny Ray aman-dReniny ao Ankazoabo Atsimo io zaza io amin’izao fotoana izao ary efa tafaverina amin’ny tompony ihany koa ireo omby. Hisaorana ny fokonolona tsy niamboho adidy tamin’ny fiaraha-miasa satria izany no tena ilaina ahafahana mampanjaka ny fandriam-pahalemana », hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.
Fihetsika mandri-piderana ireo mponina mihitsy izany ka tokony ho hita amin’ny faritra rehetra. Tsy tokony hiray tsikombakomba amin’ny dahalo mihitsy ny vahoaka fa tokony hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana.
« Izany fiaraha-miasa izany indrindra no antom-pisian’ny laharana maitso afaka hantsoina raha sendra misy ny loza. Eo ihany koa ny fiparitahan’ny mpitandro filaminana manerana ny faritra rehetra ka afaka mandray andraikitra avy hatrany vantany vao mahare ny vaovao avy amin’ny fokonolona », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena.
Ankoatra ny halatra, ny fakana ankeriny, sy ireo asan-jiolahy isan-karazany. Malaza amin’izao fotoana izao ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Azon’ny tsirairay atao ny mampandre ny mpitandro filaminana rehefa mahare ny mahakaika izany.
Miora Raharisolo
