Herinaratra : Tonga ireo « compteurs » ilaina amin’ny tetik’asa « branchement mora »
Dépêche 16 mai, 12h, Efa tonga ireo compteurs voalohany hampiasaina amin’ny tetik’asa « branchement mora » an’ny orinasa Jirama. Izany fahatongavan’ireto compteurs ireto izany dia ahafahana miditra amin’ny fanombohana ity tetik’asa ity izay vinavinaina hanomboka ny faran’ity volana mey ity. Araka izany dia efa nanatanteraka ny fiantsoana ireo mpisitraka hanefa ny vola ahafahana mametaka ity compteurs ity ny orinasa. Tsara ny mampatsiahy fa 30 000 ariary isan-tokantrano irery ihany ny vola aloha ho an’ireo izay maniry hisitraka ity tetik’asa ity. Ahazoana ireo fitaovana efa voaloha vola mialoha (prépayé) io vola io, miampy jiro miisa roa. Marihina fa ireo tokan-trano tena marefo ihany no afaka hisitraka ity tetik’asa ity ka ny eo anivon’ny fokontany no misafidy izany.
