Alasora : Nisy ny fanamboaran-dalana mampitohy an’Ambohimarina sy Ambohitanety
Nirotsaka an-tsehatra nanamboatra ny lalana mampitohy ny fokontany Tanjonandriana, kaominina Ambohimanambola sy ny fokontany Ambohimarina sy Ambohitanety Alasora ny avy ao amin’ny Alasora, ny faran’ny herinandro teo. Efa ela niandrasana ny fanamboaran-dalana ny mponin ao an-toerana rah any voalaza.
« Fisantarana ny fanamboaran-dalana isaky ny fokontany ihany no natao teto an-toerana. Hitohy amin’ireo fokontany hafa, ratsy sy saro-dalana kosa ny fanamboarana amin’ity herinandro ity » hoy ny avy amin’ny kaominina Alasora.
« Anisan’ny soso-kevitra azo atao mba entina hanatsarana ny fanamboarana, ary angatahana amin’ny tomponandraikitra mba amboarina manaraka ny fenitra ny lalana, ohatra amin’izany ny fanaovana azy rarivato satria raha tahaka izao dia mitovy ny olana sedraina isan-taona » hoy i Mino, mponina ao Alasora.
Fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fanamboarana ireo lalana eny ifotony. Mila atao laharam-pahamehana ny famaliana ny filàn’ny mponina mba hampilamina sy hitondra fampivoarana ho azy ireo.
Manitra R.
