France : Vehivavy iray no voaheloka noho ny fanodikodinana ny « allocation » an’ny zanany tsy tomombana ara-tsaina
Renim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona monina ao Hautmont no nohelohin’ny fitsarana higadra efa-bolana ny herinandro lasa teo noho ny fisandohana ny volan’ny AAH (allocation aux adultes handicapés). Raha ny fanazavana dia tokony nirotsaka ho an’ny zanany vavy, izay manana olana « déficience intellectuelle » ary miara mipetraka aminy, io vola io.
Vola efa manodidina ny 16 000 EUR (76 tapitrisa Ar), izay fanampiana ara-bola nomen’ny fanjakana amin’ny ho an’ny zanaka vavin’io renim-pianakaviana io, no efa laniny. Raha ny fantatra dia laniny nanaovana rendrarendra toy ny fiantsenana an-jotra sy lalao tany amin’ny « casino » tao anatin’ny roa taona izany vola izany.
Ankoatra ny fidirana am-ponja kosa dia tsy maintsy mandoa 500 euros ho an’ny mpiantoka vaovao ny zanany io renim-pianakaviana io.
