Ambatovy: Tafatsangana ny rafitra hitantana ny tamberim-bidy avy amin’ny orinasa
Tafatsangana ny mpikambana handrafitra ny fitantanana ny tamberim-bidy avy amin’ny orinasa Ambatovy. Araka izany dia izy ireo no hitantana ny lafiny ara-tsosialy avy amin’ny vola tamberina avy amin’ny tetikasa Ambatovy. Ny fanjakana foibe no nanangana ity rafitra ity hahafahana mahita mivaingana izany tamberim-bidy izany ho mipaka tsara any amin’ireo fokontany manodidina.
“Handrafitra ity Komity ity ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, ny minisitry ny Toekarena sy Fitantanam-bola, ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny minisitra mpiahy ny Faritra Atsinanana, ny Governoran’ny Faritra Atsinanana ary solontena roa avy amin’ny Fiadidina ny Repoblika. Ny tanjona lehibe indrindra tsy maintsy tratran’izy ireo di any famenoana ny filàn’ireo Kaominina manodidina ny tetik’asa Ambatovy”, hoy ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika.
Raha tsiahivina dia voatery najanona, araka ny baiko avy amin’ny Filoham-pirenena ny fampiasana ny tamberim-bidy avy amin’ny tetikasa Ambatovy. Hatramin’izay di any orinasa irery ihany no manome ireo tamberim-bidy ireo ho an’ny fokontany manodidina ka nahitana lesoka izany. Vahaolana ho amin’izany araka izany ity natolotra ity. Tsara ny manamarika anefa fa izay tapaky ny Komity dia tsy maintsy hangatahana ny fankatoavan’ny Filohan’ny Repoblika.
“Te hanao ny asa rehetra eto amin’ny firenena ity Filoham-pirenena ity kanefa olona iray tsy mahavita izany. Ny olona efa miditra amin’ny fitsinjaram-pahefana dia ny tenany mitady hiverina amin’ny fitondrana tokana foana”, hoy ireo mpanao Politika.
Ho laharam-pahamehan’ireto Komity ireto ny mahakasika ny fiainan’ny mponina mivantana toy ny sekoly, tobim-pahasalamana, tranompokonolona… Hirariana ihany koa ny hampahomby ity paikady vaovao ity indray.
Miora Raharisolo
