SocialTsidika

Vatomandry : Mila fitandremana ny fihinanana sakafo ankehitriny.

Miteraka loza ho antsika ny fihinana sakafo tsy voaara-maso. Maro ireo olona efa tratran’ny fahavoazana tamin’izany, misy mihitsy aza moa ny maty vokatry ny poizina misy amin’ny sakafo tsy voaara-maso izay. Mila hatao laharam-pahamehana ny fanaovana fanadihadihana tsara ny sakafo hohanina. Tsara kokoa raha tsy miandry ny fitondram-panjakana sy ny sokajy hafa ny tsirairay amin’ny fanaraha-maso azy ireny. Zava-dehibe ihany koa anefa etsy ankilany ny fanaraha-maso hentitra ary indrindra ny fampianarana ny olona amin’ny fihinana sakafo ara-pahasalamana. Miha very io fanomezan-danja ny sakafo tsara ho anina na tsia io amin’izao fotoana, na dia efa nisy aza ny fampianarana mahakasika izany taloha. Anisan’ny tranga nampalahelo, ohatra amin’izany ilay niseho tao vatomandry ny asabotsy 13 Martsa lasa teo. Tafiakatra 10 ankehitriny ireo maty vokatry ny fihinana henan-tsokatra nozarain’ny mpanarato iray tao an-toerana. Mbola misy ihany koa ireo manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao. Sokadranomasina nisy poizina atao hoe “fano” ity nohanin’ny mponina teo amin’ny Tanana iray tao vatomandry ity. Mpanarato iray izay nahazo sokatra lehibe roa no niatombohan’ny fizarana. Nisy ny fizarana tamin’ny manodidina sy ny fianakavian’ity mpanarato ity. Vokany, samy maty voapoizina avokoa ny ankohonan’ilay lehilahy. Manentana ny olona araka izany mba hitandrindrana ihany amin’ny fihinanana sakafo tsy ara-dalàna mba hisorohana ny tranga tahaka izao.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire