ActualitésTsidika

Ladies Makis : Hifanandrina amin’ireo avy any Kenya mandritra ny fanokafana ny CAN

Ny ekipam-pirenena avy ao Kenya indray araka izany no hifanandrina voalohany amin’ny Ladies Makis mandritra ny lalao fanokafana ny CAN vehivavy. Ny 20 mey ho avy izao no hanatanterahana izany lalao izany ao amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka. Aorian’i Kenya dia hiady amin’ireo avy ao Cameroun indray izy ireo mialohan’ny hifanandrinany amin’ireo vehivavy miisa 15 avy ao Afrique du Sud.

« Tsy maintsy miady mafy ny ekipa raha te hahomby satria raha ny lalao farany izay natao teo ireny no jerena dia tsy malemy ihany koa ireo ekipa ireo. Samy tsy maintsy hiady ny toerana daholo ihany koa satria ambony be ny tanjon’ny tsirairay amin’ity lalao ity. Izay handresy dia handray anjara amin’ny fifanintsanana amin’ny “World rugby women’s XV” diviziona voalohany. Ny laharana faharoa kosa dia ho tafita mivantana amin’ny “World rugby women’s XV” division faharoa », hoy ny fanazavan’ny avy ao amin’ny Ladies Maki.

Tsy ho vitan’ny mpilalao sy ny mpanazatra ary ny Federasiona irery ihany anefa izany lalao lehibe izany. Tsy maintsy mandray anjara mivantana amin’izany ny mpankafy sy ireo mpanohana ka manana ny hetahetany ihany koa izy ireo.

« Tsara kokoa izao raha mba mandeha mivantana amin’ny fatilavi-panjakana ity lalao ity. Afaka manohana foana izahay na tsy ho afaka makeny amin’ny kianja aza. Manohana hatrany ireto mahery fo ireto fa vehivavy ireo kanefa mahavita azy », hoy i Lova, mpankafy baolina lavalava.

Efa anatin’ny fanazaran-tena mafy ireo mpilalao ankehitriny. Marihina fa hanomboka io 20 mey io ity CAN ity ary hifarana ny 28 mey 2023 izao. Mirary soa ireto Ladies Maki ireto hatrany hahazo fahombiazana amin’ity sehatra ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire