Dépêches

Fahasalamana : Hampitomboina ny ady amin’ny aretina lefaka hozatra

Dépêche 08 mai, 11h, Manao ny ezaka rehetra hiadiana amin’ny aretina lefaka hozatra ny Ministeran’ny Fhasalamam-bahoaka. Miha-mitombo hatrany tato ho ato ireo zaza tratran’ity aretina ity. Araka izany ary dia hamafisina ny serasera rehetra sy ireo paikady fisorohana efa natao. Ny vaksiny sy ny fanajana ny fahadiovana no tena lohalaharana hiasorohana ity aretina ity. Hampahomby ireo hetsika roa samihafa ireo dia manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny mpisehatra amin’ny haino aman-jery ny tomponandraikitra voakasika. Mpanao gazety sy mpanentana fandaharana an-jatony no omena fiofanana mandritra ny 3 andro amina toerana efatra: Fianaratsoa, Antsirabe, Mahajanga, Toamasina. Ny tanjona amin’izany dia hahafahan’ny tsirairay mandray fanapahan-kevitra hanatsara ny fahasalamany sy ny ho avin’ny taranany.

Laisser un commentaire