Dépêches

Fadin-tseranana : Hanokanana fotoana eny Ambohitsaina ny faha 200 taona

Dépêche 05 mai, 14h, Hanokanana fotoana miavaka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny fankalazana ny faha 200 taoanan’ny fadin-tseranana. Izany no hatao dia ahafahana mampahafantatra bebe kokoa ny tontolon’ny fadin-tseranana. Ho maro ny hetsika ho hita mandritra izany, ao anatin’izany ireo trano heva isan-karazany, ny famelabelaran-kevitra sy ny ady hevitra maro samihafa. Handray anjara amin’izany ny ministry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, ny tale jeneralin’ny Fadintseranana, ny filohan’ny Syndicat des Industries de Madagascar, ny Sojaben’ny Fakiolten’ny Toe-karena sy Fitantanana ary Haifiarahamonina (EGS), ary ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM). Azon’ny daholobe atrehina ny hetsika, izay hatao ao amin’ny Cathédrale EGS Ankatso, Antananarivo.

Laisser un commentaire