WaterAid: Vina napetraka ny ahazoan’ny rehetra rano fisotro madio
Fikambanana iray misehatra amin’ny fahazoan’ny rehetra rano fisotro madio, ny fidiovana ary ny fanadiovana ny WaterAid. Ao anatin’izany, misy ny fanentanana sy ny fanetsehana ireo rafitra mahefa isan’ambaratongana izany miara-misalahy amin’ny fanatenterahan’izy ireo ny hetsika izay ataony, avy eto an-toerana sy any ivelany; ohatra ao anatin’izany ny UNICEF, BAD, JICA, ny Ministeran’ny rano fidiovana sy fanadiovana, ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ary ny fitalieavam-paritra sy ny maro hafa.
Tsy mijanona amin’ny faritra iray ny hetsika ataon’ny WaterAid. Anisan’ny imasoan’izy ireo indrindra ny fisitrahan’ireo olona any amin’ny faritra samihafa sy saro-drano, ny fahazoana ny rano fisotro madio sy fahasalamana, amin’ny alalan’ny fanentanana sy ny fampianarana eny ifotony miampy fampiarana.
Ny taona 1989 no tafantsagana ny fikambanana tsy miankina WaterAid. Marihina moa fa tafiditra ao anatin’ny vina apetraky ny fikambanana ny lafin’ny fampandrosoana an’I Madagsikara, amin’alalan’ny fampisitrahana rano fisotro madio ny mponina, indrindra fa ireo anaty fahantrana.
Manitra R.
