Ahazoana zava-baovao ny fanodinana ny fako plastika.
Fako avy amin’ny plasitika ny 80% ireo fako hita eto amitsika. Anisan’ny manentsina ny lakan-drano ary manimba ny tontolo iainana ihany koa anefa ny fako plastika. Tafiditra ao anatin’izany ireo harona, sy tavoangy sy ny maro samihafa vita amin’ny plastika. Misy ny orinasa efa manangona azy ireny ankehitriny mba ho havadiny zava-baovao indray izy ireny; toy ny biriky, ny zezika ho ampiasiana indray. Avy amin’ny fanodinana ireo akora plastika ihany koa no ahavitana ireny rarivato ireny. Hita amin’izany fa azo ampiasaina indray amin’ny fiainana andavanandro ny fanodinana azy io. Misehatra eo anivon’izany indrindra ny eo anivon’ny orinasa Adonis. Izy ireo izay efa miara-miasa amin’ny tambazotra any ivelany amin’ny famokarana azy ireny. Nandritran’ny telo taona no nahafantarana fa plastika 275 t no nampiasain’ny mponina eto Antananarivo. Voahangon’izy ireo nanomboka ny taona 2018 ka hatramin’ny 2020 teo ireo. Tsikaritra amin’izany fa mety hanimba ny tontolo iainana izy ireny atsy ho atsy raha tsy avadika haingana ho zava-baovao. Amporisihana mihitsy ny fananganana orinasa toy izao, fa sady mamorona asa no mamelona ny mpiara-belona ihany koa. Ankoatran’ny orinasa Adonis, eo ihany koa ny tetik’asa kopakelatra, izay vao tsy ela akory izay no nampahafantarina ny vahoaka Malagasy. Izy io izay manangona irony plastika irony ho lasa zava-baovao toy ny seza sy ny maro hafa. Hentanina araka izany ny olona rehetra mba hanokana ny plastika ary hanome izany ho an’ireo mpanangona azy ireny eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Fanilo Rarivoarilala
