ActualitésTatitra

France : « Mondial La Marseillaise à pétanque », fifaninanana pétanque iraisam-pirenena lehibe indrindra

Fifaninanana pétanque iraisam-pirenena lehibe indrindra ny « Mondial La Marseillaise à pétanque ». Mampivondrona mpilalao 13 000 isa isan-taona eo amin’ny sokajy rehetra izy ary ahitana mpijery manodidina ny 150 000 isa mandritra ny fifaninana. Tontosaina ao Marseille ao amin’ny Parc Borély ny lalao ary matetika dia atao ao Vieux-Port na MUCEM ny lalao famaranana.

Efa tamin’ny taona 1962 kosa no nisy ity lalao ity, ny gazety La Marseillaise sy i Paul Ricard no namolavola azy. Hanomboka ny 2hatramin’ny 5 jolay izao kosa ny andiany faha-62 amin’ity lalao ity. Misokatra ho an’ny rehetra izany ary azo atao ny misoratra anarana amin’ny https://www.mondiallamarseillaiseapetanque.com/inscriptions

Laisser un commentaire