Etats-Unis : Mpamily fiara mpitatitra mpianatra iray no tsy nahatsiaro tena teo am-pamiliana
Mpamily fiara mpitatitra mpianatra iray no nahatsiaro tsy salama tampoka teo am-pamiliana fiara nisy mpianatra manodidina ny 60. Tao Warren, Michigan no niseho ny tranga ny herinandro lasa teo. Tsy nisy naratra na aina nafoy nefa nandritra izany tranga izany noho ny fandraisan’ny tovolahy iray, antsoina hoe Dillon Reeves, 13 taona monja ny familiana ny fiara hatreo amin’ny fiantsonana.
Tony ary tsy nisalasala izy nanatanteraka izany raha ny fanazavana. Manolona ny tranga kosa dia nankasitraka manokana ny herim-pon’i Dillon Reeves ny tompon’andraikitry ny tanàna, Jonathan Lafferty. Nilaza izy fa nahafahana nisoroka loza goavana ny fandavantenan’io zatovolahy io. Mbola tsy fantatra mazava kosa hatreto ny antony tsy nampahatsiaro tena ilay mpamily ny fiara.
