Mayotte : Misokatra rahampitso ny fifantenana ny « Miss Mayotte »
Manomboka rahampitso 3 may ny fifantenana voalohany ireo vehivavy maniry ny « Miss Mayotte ». Tontosaina ao amin’ny lapan’ny tanàna ao Mamoudzou izany manomboka amin’ny 1 ora sy sasany hatramin’ny 3 ora sy sasany. Hitohy ao amin’ny ivo-toeran’ny komity ny Miss Mayotte kosa izany ny 6 may, ao amin’ny biraon’ny fizahantany ao Coconi ny 10 mey, ao MJC de Nyambada ny 17 mey, ao amin’ny biraon’ny fizahantany ao Petite-Terre ny 27 may ary ao amin’ny foibe ny delegasion’i Mayotte ao La Réunion ny 20 mety.
Vehivavy 18 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara amin’ny fifantenana. Mihoatra ny 1m70 ary manana zom-pirenena frantsay. Mety avokoa na efa manambady sy niteraka na tsia saingy manam-porofo fa mponina ao Mayotte. Marihana fa mandray anjara amin’ny Miss France ny Miss lany ao Mayotte.
