ActualitésTatitra

Maurice : Hanomboka ny 2 jona izao ny hetsika « Caudan Food Festival »

Tontosaina ny 2 sy ny 3 jona izao ny andiany faharoa ny hetsika « Caudan Food Festival ». Fahombiazana tanteraka ny andiany voalohan’io hetsika io raha ny fanazavana ary mbola vonona ny handray ireo mponina ao amin’ny nosy sy ireo vahiny hatrany ny Caudan amin’ity andiany faharoa ity.

Tsy misy mampivondrona olona betsaka mihoatra ny sakafo ary antony mahatonga ny mpikarakara miezaka mafy misafidy ireo mpivarotra sakafo mendrika indrindra sy hanomezana fahafaham-po ireo mpandray anjara izany hoy ny Tessa de Chalain, Head of Marketing ny Caudan. Isan’ireo handray anjara amin’io hetsika ireo toeram-pisakafoana fanta-daza hoy ny Wapalapam, Mr Bao, Pick & Plate, Mr Berti, La Cantine, Maison LUX, Gourmet Pops…

Mandritra ireo andro roa ireo kosa dia hisy hetsika samihafa ao an-toerana sy ao amin’ny Victoria Urban Terminal izay hahazoana fanomezana.

Laisser un commentaire