ActualitésTsidika

Kolontsaina: Fampirantiana mahakasika “ny lamba” no hita ao amin’ny Musée an’ny sary amin’izao

Ity Musée an’ny sary ity na ny “Musée dela photographie” ity dia sehatra iray hahafahana mahazo fahalalana amin’nys ehatra tsy anavahana. Mandray ny olona rehetra ihany koa izy ary mampiroborobo ny tantara sy ny kolontsaina eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao dia ny fampirantina mahakasika ny lamba teto amin’ny tanin’ny madagasikara indray no hita ao an-toerana.

“Mahakasika ity fitaovana iray amin’ny fiakanjo Malagasy ity indray no hita ato amin’ny Musée izay efa nanomboka ny 22 aprily teo. Ahitana ireo sary nalaina na namboarin’i Razafy, Ramilijaona, Émile Pierre ary Jacques Faublée tamin’ny tapaky ny taon-jato faha-XX izany. Asehon’izy ireo ny fomba fampiasana ny lamba amin’ny kolontsaina malagasy manerana ny Nosy, hatrany avaratra ka hatrany atsimo ary mandala eto afovoan-tany”, hoy i Tsiory Asandratra Randriamanantena, Talen’ny Musée de la Photographie.

Karazana sary an-jatony no ho hita mandritra ity fampirantiana ity. Hahafahana manafana izany fampirantina aizany anefa dia hisy ihany koa ny “podcast” hanelanelana ny fampirantiana rehetra. “Ho hita amin’ny fiteny Malagasy sy frantsay izany podcast izany izay tsy miala amin’ny lohahavetra “lamba” hatrany. Hisy zava-baovao maro be ho hita sy ho fantatra amin’izany ary hisy zana-dohahevitra isan-karazany ho resahina ao anatiny”, hoy hatrany ny fanazavana.

Eny Andohalo no ahitana ny “Musée de la Photographie”, misokatra isaky ny amin’ny folo ora maraina hatramin’ny amin’ny 5ora hariva. Ny alatsinainy irery ihany no tsy mivoha. Sehatra hahafahana mivelatra sy hahafahana mampivelatra saina indray moa izy ity ary azon’ny rehetra tsidihina.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire