67Ha: Hianjadiana tsy fandriam-pahalemana matetika ny mpanao “cash point”
Dépêche 24 avril, 15h, Mampimenimenina ny olona mihitsy ny tranga na tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny faritra 67HA iny. Nisehoana fanafihan-jiolahy indray teo anoloan’ny EPP 67Ha atsimo anio tamin’ny 12ora sy sasany atoandro. Mpanao “cash point” iray indray no notafihan’ireto jiolahy mitam-piadiana ireto. Raikitra ny fampitifirana teo amin’ireo polisy sy ireo jiolahy ka lavo eo am vavahadin ny EPP ny 1 tamin’ireo jiolahy, ny hafa kosa tafatsaoka. Fandrobana cash point no tena mpahazo matetika ireo mpisehatra eny amin’iny faritra iny. Ilaina ny fikarohana vahaolana haingana ho fitandroana izany filaminana izany satria mitaintaina ny mponina. Tokony hampitomboana ve ny mpitandro filaminana? Tokony hisy ve ny fanairana vonjy taitra izay hiraisan’ireo mpisehatra sy ny mpitandro filaminana? Ankoatra ny fihidina alohan’ny amin’ny dimy ora hariva dia tsara ny mikaroka vahaolana maharitra ho amin’izany olana izany.
