Pays-Bas : andro voalohany amin’ny fifidianana, miaraka amin’ny coronavirus
Manatanteraka fifidianana mpanao lalàna mandritra ny 3 andro ny ao Pays-Bas, nanomboka ny alatsinainy 15 martsa. Sokajiana ho fitsapana manoloana ny fiadiana amin’ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus ihany koa ity fifidianana atao ity. Manantena ny hahalany an’i Mark Rutte avokoa ireo mponina ao Pays-Bas. Nisokatra ny alatsinainy tamin’ny 7H30 ny biraom-pifidianana tao an-toerana. Nohezahina hanaraka ny fenitra miady amin’ny fipariahan’ny coronavirus izany. Antsoina hifidy ny alatsinainy sy ny talata 16 martsa avokoa ireo olona nanao fitiliana ka efa ahihina ho mitondra ny valaretina. Amin’ny alarobia 17 martsa kosa vao tena manomboka ny fifidianana. Mbola tena ao anatin’ny fampiharana ireo fepetra rehetra hiadiana amin’ny coronavirus i Pays-Bas amin’izao fotoana. Ao anatin’izany ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina.
