Côte d’Ivoire : Nody an-tanindrazana ny vata mangatsikan’i Hamed Bakayoko
Tonga ny alin’ny Zoma 12 Martsa tao Abidjan ny fatin’ny Praiminisitra Ivorianina i Hamed Bakayoko. Maty ny Alarobia 10 Martsa lasa teo izy rehefa notsaboina tany Allemagne. Tonga nitsena ny razana teny amin’ny seranam-piaramanidina ny filoham-pirenena ao Côte d’Ivoire. Amin’alahelo lehibe no nandraisan’ny vahoaka ny vata mangatsikany satria mamy hoditra sy nahavita be teo amin’ny firenena Ivorianina i Hamed Bakayoko. Nanana ny maha izy azy teo amin’ny sehatry ny politika ity Praiminisitra ity izy izao maty izao. Ny jolay 2020 I Hamed Bakayoko no nahazo ny toerana maha Praiminisitra azy. Efa Ministry ny Fiarovam-pirenena no Minisitra anatiny izy talohan’izay. Nanomboka ny volana febroary lasa teo kosa, nanomboka notsaboina tany Paris ny tenany ka nafindra malaky tany Allemagne noho ny aretina homamiadana nahazo azy. Teo amin’ny faha-56 taonany izy izao namoy ny ainy izao.
