ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Inona no vahaolana maharitra hiarovana sy hitantanana ny faritra arovana ?

Tsy mitsahatra ny fikarohana vahaolana sy lalana matanjaka ho an’ny fiarovana sy ny fitantanana ny faritra arovana eto Madagasikara. Paik’ady vaovao indray izao no karohan’ny tompon’andraikitra ahafahana manatratra izany tanjona izany. Azo atao ihany koa ny mampandray andraikitra ny eny ifotony rehetra amin’izany asa izany.

« Paikady mahomby entina miaro sy mitantana ho lovainjafy ny faritra arovana ny fanomezan-danja ny fandraisan’andraikitra feno ny eny ifotony izay azon’izy ireo atao ny mampihatra ny fomba ara-drazana hitan’izy ireo fa mety mahomby. Efa tsy vitan’ny fanentanana fotsiny intsony izany asa maika izany ka izany indrindra no hitondrana ny fomba amam-panao sy ny rafi-piarahamonina amin’ity fiarovana sy fitantanana ny faritra arovana ity », hoy ny Ministera tompon’andraikitra nandritra ny fikaonan-doha izay notanterahina tao Andapa.

Maro tsy tambo isaina ny tombontsoa entin’ny faritra arovana na ara-toe-karena izany na ara-tsosialy ka izany indrindra no tokony handraisan’ny tsirairay anjara amin’ny fiarovana azy io. « Raha tsy hiteny hafa-tsy ny mahakasika ny fizahan-tany dia mbola ao ihany koa ireo vokatry ny fambolena amin’ireny faritra arovana ireny. Samy afaka misitraka izany avokoa ny tsirairay rehefa hay ny mampifanaraka ny hetsika sy ny asa fiarovana ao anatin’ireny faritra ireny », hoy i Eric, mpahay mahakasika ny tontolo iainana.

Tsy anavahana saranga araka izany ny fiarovana sy ny fitantanana ireny faritra ireny mba hahafahan’ny tsirairay misitraka ny tombony. Ankoatra izany anefa, mila fanabeazana amin’ny endriny samihafa ny olona tokony handray anjara amin’izany fiarovana izany. Tokony mbola misy vahaolana hafa ihany koa ankoatra ny fampiasana ny olona eny ifotony. Inona no vahaolana maharitra hiarovana sy hitantanana ny faritra arovana ?

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire