Fampianarana ambony : Efa mivoaka ny daty hizarana ny vatsim-pianarana
Nivoka androany ireo fahandaharam-potoana hizarana ny vatsim-pianarana 5 volana sy ny fampitaovana ny mpianatra eny amin’ny anjery manontolo. Andro izay efa nandrasan’ireo mpianatra mpikaroka eny anivon’ny oniversite rehetra eto Madagasikara.
Olana anisan’ny mahatara ny famoahana ny vatsim-pianarana ny famolavolana ny lisitrin’ireo mpianatra misitraka izany. « Vitanay tao anatin’ny fotoana fohy ny régularisation an’ny mpianatra ao amin’ny plateforme Edutic/Digitalisation bourse nationale izay liste numérisée nandrasana tamin’ny scolarité nandritra ny efa ho 5 volana lasa izay.», hoy ANDRIAMBININTSOA Toky Harivelo, Tale teo aloha izay misahana ny famoahana ny vatsim-pianarana eto Madagasikara sy ny any ivelany.
Tombony lehibe ho an’ny mpianatra malagasy ny fanomezana tosika azy ireo. Izany dia natao mba hanampiana ny mpianatra ka ahafahan’ny mamita hatramin’ny farany ny fianarany. Betsaka mantsy ny mpianatra sahirana eny amin’ny ireny « campus universitaire » ireny no sahirana ka ny fisian’izany no manampy azy ireo. « Isaorana ny fitondram-panjakana namaly ny antso nataon’ny mpianatra. Zava-dehibe ho anay ny fizarana ny vatsim-pianarana satria io vola io no hampiasanay amin’ny fividianana ny sakafo. Betsaka ny ankizy no sahirana ka tombony lehibe ho anay ny fahazahoana izany », hoy Xavier, mpianatra ENS.
Tokony hanaraka tsara ny lamina napetrakin’ny minisitera hatrany ireo mpianatra mba tsy hisian’ny korontana intsony amin’ny tontolon’ny fampianarana. Etsy ankilany tokony misy ezaka ataon’ny minisitera mba hanafaingana ny fizarana izany vatsim-pianarana izany fa tsy io foana no atao olana isan-taona. Noho izany tokony misy foana ny fifampiresahana sy fampitana vaovao eo amin’ny mpianatra sy ny minisitera mba hisorohana ny grevy eto Madagasikara.
Erwan RAN
