ActualitésTatitra

Mayotte : Tsy mandray ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna intsony ireo tobim-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza

Nandray fanapahan-kevitra ny filankevitry ny departemantan’i Mayotte, ny alakamisy 13 aprily teo fa tsy hosokafana ho an’ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna intsony ny varavaran’ny tobim-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza. Tamin’ny alalan’ny latsa-bato manoloana ny tetibolam-panjakana no nandraisana io fanapahan-kevitra io.

Amin’ny volana jolay izao kosa no manomboka mihatra izany fepetra izany. Raha tsiahivina nefa dia AME (Aide médicale d’État) ho an’ireo vahiny tsy ara-dalàna ao amin’ny nosy ao. Ny 85% amin’ireo vahiny tsy ara-dalàna ao an-toeran ireo nefa dia zaza amam-behivavy avokoa izay mpanantona ny tobim-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza.

Manomboka amin’io daty nifanomezana io nefa dia tsy maintsy mifindra ao amin’n CHM (Centre hospitalier de Mayotte) izay rehetra voakasiky ny fepetra hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny departemanta miandraikitra ny firaisankina, Madi Moussa Velou.

Laisser un commentaire